-- | TONONKIRA |--
Vady tiako ianao, nivoadiko tamin-dRay
Olon-droa nofo iray Izaho sy ianao
Roapolo taona izay
Fiainantsika raha lazaina dia misy ‘zay ilaina
Fa ny mampanahy mampatahotra ahy
Dia ny fiainantsika mianakavy ara-panahy
Ampy izay vita, ny andro lasantsika
Nanao tsy fanao, ‘zay fomba jentilisa
Ka nandehanana, tamin’ny hajejoana
Ny fanirian-dratsy, toaka, loka, vola
Rehaka manodoka
Nampisaraka antsika amin’ny Ray Andriamanitra
Ampy izay, aoka
‘Reo fomba fady, mifampindram-bady
Haingo mihavaka, fitafy mampitanjaka
Vola maloto, harena maloto
Afointsik’avokoa
fa loza amin’atambo, tsy mba nitondra soa
Fa nanalavitra antsika
Amin’ilay Ray Tsitoha
Ka aoka ‘zay, ampy koa
Zanantsika, mianadahy
Miha-maditra, sahisahy
Ny fianarany, dia mihemotra
Ny fitafiny, fiteniny, mahamenatra
Fady ireo, ‘zay hivavaka
Raha hiangona, kilavaka
Asa loatra, izay hiseho
Sy hihafaran’ireo ankizy zanantsik’reo
Tsy mahagaga ireo raha tsy dia mankaiza
Isika lehibe, no tsy nahay nitaiza
Ka ampy izay, ny baranahiny
Ny fomba sy toetrantsika
Tsy nahomby, anio ny farany !
Fa manjary leson-dratsy
Hianaran’ireo zanantsika.
Ampy izay, vita !
Ho anao vadiko, ‘zao no tadidio
‘Reo fitafy hafahafa, dory na ario
Ny fahazarantsika, mandeha mandihy
Mamonjy cabaret, na bal amina cluba
Sy boîty de nuit
Ireo karazana party, sy invitations…,
Non ! Ampy izay, ampy .
Ampy izay Ramatoa, ka andao re hiova fo
Rendrarendra, filibàna, zava-poana
Tsy mahasoa, ‘ndeh hialàna
Ratsy vita, dia hifonana
Lalan-danitra, no hizorana
Andriamanitra no tompoina
I Jesô Tompo, no ekena sy henoina
‘Sika efa-mianaka hanatona amin’izay
Hisoratra anarana, hiomana ho Mpandray
Tena hibebaka, hiala amin’ny ratsy
[Hanao ezak' ho mpanompo
Mahatoky, an’Andrimanitra
Ho olom-baovao tokoa ankohonan’ i Jesoa
Ampy_izay , ny taloha ] x 2